permalien eritreritra sendra nandalo!!

Rédigé le Mer 07 Mai, 2008 10:51:20 Ajouter un commentaire
Impiry moa aho no nitia fa indrisy. Nanantena ihany aho fa ianao no safidin'ny foko,
fa raha ny foko ve no henoko dia hino ny saiko fa ianao no ilay voatokana ho anjarako??

Raha nanomboka nitia anao aho dia nahatsiaro sambatra sy feno fifaliana izany fiainako.Toy ny hoe tsy misy afa tsy izaho sy ianao teto an-tany, feno anao ny fiainako.

Indray andro anefa dia gina tanteraka tsy nahateny aho raha nilaza ianao fa tsy afaka ny hitia ahy..., nangidy tampoka ny vava, very ny saina, inona ny antony?
Moa ve izy nanan'olon-kafa sa tsy te hiaraka amiko intsony sa ... antony hafa???

Hatao ahoana moa, diso fiantefa ity fo izay nanatena fa ianao dia hafa nohon'ny hafa, tsy toy ilay teo aloha!!
diso ve ny fiheverako raha nanantena anao ny foko,
Indrisy anefa fa andin-tsaina lava ny mameno ny fiainako, tsy ianao angamba no anjarako!!!

Hiandry ihany anefa aho mba hiova ianao, ary tiako raha ho tsapanao fa ny foko dia mbola mitempo ho anao, ny saiko koa dia tsy hino fa ho rava ny antsika!!!
Eny mety hoe eritreritra sendra nandalo daholo izany, fa lehibe ny fanantenako ary tsy ho kivy aho satria, tsy mbola maty ny afo izay narehitrao!!!


Rajouter un Feedback

  • Nom:
  • Email:
  • Code Anti-Robot:
  • Feedback: